AIZA KAY LAY TSIKY (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA KAY LAY TSIKY

Tsy haiko na izaho no sanganehana
Na ny foko no sakodiavatra .
Nahita anao aho , toa malok'endrika...,
Tsy toin'ny isan'andro no fahitako anao .

Aiza kay ilay tsiky nahafatantarako anao
Ilay sangisangy nifanaovantsika fony vao nifankahita ?!
Aiza ireny ankehitriny ...Tsy ahitan-teny ianao !

Nangina ny tontolo izay lalovanao
Fahiny anefa henika haravoana ny tontolonao .
Fifaliana hitanay misoritra amin'ny endrikao ;
Aiza izany ankehitriny , indrisy lasa haolo .

Fa dia nahoana kay rahavako
Ny tontolonao henika toloko ;
Sento nampahory nandravaka ny diarinao ,
Iza kay no tompon'antoka amin'izany ?

Hangina tahaka anao aho
Tsy hanontany anao akory ny anton'izany ;
Ilay tsiky nifanaovantsika indrisy ...Aloka tomany ;
Tsiky anaty haizina...Alahelo nitamberina .

Rahavako miangavy anao aho
Aza avela hanaloka anao , ny tsiky sy alahelo
Fomban-tany izany , mitraka sombin'aiko...,
Safidy fa tsy anjara ny azy , mitonia rahavako .


Ampandrianamby
14.05.2024 . Tamin'ny 9 Ora mahery 5 minitra . Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
252 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146