AMPY IZAY (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy izay

Zandry a
Firy taona moa naha Firenena antsika ?
Fa toy ny vao omaly no nampifoha ny tsiahiko !
Mandroso mihemotra...Mihemotra mandroso ;
Aiza ho aiza isika ankehitriny...,
Fa izay jerena mamiratra aoka izany
Loto mihaingo , tsikoko tsy voadio;
Kanefa dradradraina manoloana ny ampintsoko .

Ireo voafidy sa namidy
Ireo napetraka nandany ny fananana
Ny Malagasy voaroba tsy nahaloam-peo ;
Iza no antenaina hamonjy ny mahantra ?
Toa mandatsa lahy ny fiara nampiasainy ;
Feno henikin'ny Làlana , mampiherika tomany
Izay no Fireneko...Firenena tsy hita be n'ihany .

Mpihatsaraivelatsihy no maro
Tolorana Vilia ; vilany ;sotra Plastika
Dia miroso fifidiana...tambazan-dranomaso ;
Velomin'ny ankaso ...Nanantena fandrosoana
Ny tanjona adinoina ; fa very ilay nomanina .
Dia foana ireo fananam-pokonolona...;
Na ambony na ambany ...dia any an-tanin'olona ?!
Ireo no higoka ianao kosa handamoka .

Ampy izay ry Zandry a
Kanefa iza no hijoro handrodana ny manda
Ilay manda tsy hikoro , tsy hironjina mazàna .
Hijoro hovonoina , hijoro am-pahoriana ?!
Tsy hilevina am-pasan-drazana , handao ilay tanàna ?

Ampy izay , fa tsy hampihemotra ahy
Na iza no handona , na iza hampifendro .

23.02.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
157 3
Mpakafy: RIXAM - Roberto2001 - SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154