ANTENAINA ( Album AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTENAINA

Amin'izao fotoana izao
Dia teny sivy natambatambatra ,
No namehezanay ny tontolom-piainanao ;
Ry Dada tena maminay .

Nangina mantsy ny tanĂ na
Nangina ihany koa ny tao an-trano...
Fa tsy nisy mpiaro intsony !
Rehefa tsy eo ianao ry Dada .

Impiry impiry moa?
Ireo ezaka natao
Fa niniana tsy tadidy !
Noho ilay ditran-janakao .

Impiry ihany koa
Ny anatranatra am-pitiavana
Nahazoana fahavalo...,
Ka nijoroanao ho Dada hatrany .

Dada !anarana kanto
Anarana mamiko .
Anara-mirindra...,
Tsy hay soloina na oviana .

Alina ny andro
Nangina ny ao an-trano
'ndreo ny mpianakavy...;
Nanomboka nivavaka :
" Tompo o! jereo ny Dadanay
Aza avela ho kivy
Aza avela ho ketraka...,
Ho tena mpiahy anay
Ary koa ho mpanafay ,
Hananatra !
Mba ahatonga anay ho olom-banona .
Tompo o!
Teny sivy natambatambatro...;
No namehezako ny tolony ."

Antenaina i Dada
Dada!ilay hany antenaina..
Antenain'i Mama na i Neny
Fa raha tsy teo i Mama...,
Mpanolotsain'i Dada !
Asa lasa izay hitranga .


01.04.2005 .
Tsaroako tampoka androany . 04.04.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
160 3
Hevitra mandeha
SANAKERIB ( 05/04/2024 05:38)
misaotra tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146