ANTSA NANDRATRA (NY Andri-Fara)

Nantsain'i Ny Andri-Fara
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antsa nandratra

Ry foko nankaiza , ary ho aiza ?
Angaha tsy lavitra anao ,
Fa ny alina mba nantenaina…
Efa tsy namana indro nalaina .
Tsy sahiko ambara na tantaraina
Ry fanantenako…namelona ny antsa !
Asa tsy fantatro intsony …;
Sahirana nanembona olon - tsy tia ,
Ontsa ho an’iza …;
Ny aloky ny fitiavako .

Hisy any ho any hanambara
Hanantena ka hilaza
Ny lasa indray tsy fanadino…;
Tsy mba ho ahy angamba ,
Araka ny fiheverako .

Aminao ve r’ilay notiavako
Ny Aloky ny fo ?
Tanteraka ho azy .
Eny an - tsefatsefan-drahona…;
Ny atao hoe : Heloky ny tia ?!
Ahoana ny hevitrao ?
Ilay famborahako ny ato am-poko,
Maneho fitiavana nolavina…;
Antenain’ny tia ho voninkazon’ny alina .

Novambra 2000 . Ny Andri - Fara
--------
Rohy:
149 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hevitra mandeha
SANAKERIB ( 09/02/2024 05:22)
Izay ilay kanto tsy voafehy....Dia tsara aho raha sahirana mamaky ny asako ianao?
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147