AVELAO NY FAHOTAKO ( ALBUM AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVELAO NY FAHOTAKO

Tompo o! aza avelanao ho kivy
Na dia reraka aza androany
Aza avelanao ho hitomany !
Na dia resy 'lay niakany ...;
Aza avelanao ho irery
'ty foko tsy ilaozan'ny an-tery .

Efa be ny adalana
Sy ny sorotsorin-tsaina .
Niampy ditra sy fialonana ;
Ho amin'ny tsy fitiavana...,
Asa ! na handohalika...Hitsangana .

Fa tsy afaka mitsotra
Noho ny hambom-poko!
Ka haneho ny hadisoana...,
Dia izao no hany ambarako :
" Tompo o! aza avelanao ho kivy ,
Na dia resy aza 'lay niakany ".


24.01.2006 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
145 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0935