DOMELINA (NY Andri-Fara)

Nantsain'i Ny Andri-Fara
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Domelina

Hafahafa tsy toin’ny isan’andro
Fa sakodiavatra ny foko ;
Manembona ny lasa …,
Ny lasa nitamberina nandratra ilay fitiavana !

Nibanjina ilay sary nohalehibeazina
Miraikitra amin’ny rindrina…;
Mibanjina ahy isa - maraina ,
Manontany ahy inona no mampiferinaina ?

Sary hafafaha indray no tazako
Tsy ilay sarinao nahafinaritra ahy .
Fa sary miendrika hafa loko ;
Toa mandatsa izato foko !

Tafatombina domelina .
Tafatoetra sanganehana .
Nandray ny penina hanoratra …;
Hanoratra tantara iray .

Tantara diso fantatrao omalin’ilay nisarahantsika
Nizara roa ny làlana , indrisy feno hatsana …,
Hatsana nanasaraka ny foko sy ny anao .

18.11.2021 Ny Andri - Fara
--------
Rohy:
120 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017