HO ADINOIKO ( Album Aloka sy Tsiky ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ADINOIKO

Tsy ho ranomaso intsony
No anjohy eny an-dàlako .
Ary izy aoka tsy ho halako ;
Voa aho ankehitriny ,
Nilaozan'olon-tiako !
Ka manadino ny fahiny .

Ho adinoiko tanteraka ny amin'iny
Tsy ho tsaroko akory
Ireny andronay fahiny ;
Nijaly aho...Nitsetra !
Ny andro ratsiko rehetra
Ka hionona aho f'izao no anjara ;
Dia...Izao lazaina raha sendra hitanao :
" Ny fo raha voadona...;
Tsy mety sitra-panafody!"
Fa izy sy ny fitiavany
Na tsy ho anao...
Ho tia anao mandrakizay .



26.10.04 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
68 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0662