HOSOKA (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HOSOKA

Vita iny ilay tsy ho vita
Tanteraka ny fifidianana .
Fifidianana izay hisolo ny vahoaka ;
Hitondra izay mba hetahetany .

Tsy efa impiry moa aho no nilaza !
Fa ho sarotra ny fandidiana ...;
Aiza izany ankehitriny ?
Eo am-piandrasana ny valiny .

Mba fantatrao moa hoe...;
Iza ireo nofidianao ireo ?!
Firy taona izy no teo ,
Aiza izay mba nantenaina .

Ny andaniny manindry feno hosoka
Ny ankilany mitoroka ny andaniny ;
Ny vahoaka terena ankolaka ,
Hanambara izay tsy fantany .

Hala-bato ! Hosoka ! tsy rariny
Manery ny mpifidy voavidy vola ?
Notambazan-tapa-kibo kely ,
Voavidy hatramin'ny tsy fananany .

Izay jerena volamena vatosoa
Fa ny ao am-bilany foana tsy misy hanina ?
Ny ankizy toa farofy kibotaina loza tany ;
Ny an'ny sasany aza mitorevaka tomany .

Ny mpiasam-panjakana terena tsy hanao hosoka
Henjehina raha tratra nanao kolikoly ...,
Rehefa tonga indray ny fifidianana ?
Iza no tsy nampiasa ny mpiasam-panjakana !

Dia gaga anao aho Ramalagasy
Malagasy tena nampahantraina.
Tsy mitavana ny hareny fa maneso tsy ankiteny ;
Mandroso mihemotra ampiadian'ny politika .

Politika iray lazaina hampandroso no ventesina
Kanefa izy ireo mifanohi-bohitanana mifanaratsy !
Ka raha tombotsoa iraisana ; dia eny hanohitra...;
Ka ny tanjona handrodana ny fahavalo iombonana .

Vaka ny vahoaka leon'ny adisanina
Ireo anie ka mpinamana antso tokana dia vita e!
Fa isika izay tsy misy antokona , ho lavo vita hatreo ,
Ny seza no mahamaika ; fa rehefa azo veloma ianao .

Ampandrianomby - Ambatomaro
O7.06.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
162 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015