IZA NO HANOHITRA (NY Andri-Fara)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA NO HANOHITRAVanin'andro mampatahotra
Fotoana mampisaratsaraka ;
Ny tonon'andro tahaka izao ,
tsy afaka ny hitambatra...,
Iadiana mantsy ny fiainana .
Ny hafa varina nanao fanenjika ,
Ilay henjehina tsy azo...,
Ianao indray no fanina !
Korotanin'ny adim-piainana .
Manahy aho fa diso fahavalo ,
Ka mifandramatra hifamono ,
Avy eo vao samy Gaga ...;
Hifanontany tena...,
Iza no omena tsiny ?
Nefa izaho no diso fahavalo !?
Izay rehetra atao hifanomezan-tsiny
Tsy ahitana vahaolana fa nametrak'olana ,
Famafazan-dainga hitolomana...,
Hay ny seza no tambim-pamonoan'olona .
Ianao nitolona , niaritra tsy nisy...,
Nisy saingy tsy natao ho anao.
Ireo harena ambanin'ny tany...;
Sy izay rehetra hitanao ! tsy anao ?!
Tsy higoka izany mihitsy raha isika ,
Fakofakon-kanina raha hisy izany .
Izay vao fantatro ...ny fisiako ho azy
Ny fisianao hanantsenany ny banga .
Tsy natao ho an'ireo mandady harona ...,
Ireo harena nomen-Janahary ho an'ny vahoakany .
Diso fahavalo isika
Isika indray no mifanohitra
Ny hafa mitsetsitra ny harenanao
Isika miady lava tsy nisy fiafarana ,
Tsy aleo ve faranana...Antsika anie ity tany ity e .
Ampy izay ilay fotoana lava
Nitolomana ny fahafahana
Hialana amin'ireo ziogam-pamoretana !?
Ka ny tsara mba naondrana navadika ho ratsy
Ireny no hivelomana , fa ny ahy tsy hita ho nanjary .
Ampandrianomby . 21 Febroary 2025
--------
Rohy:
Mpakafy:
SANAKERIB
Hevitra mandeha

SANAKERIB
(
21/02/2025 05:45)
Heritiana , azafady tompoko ...Mba misy toerana ve ato amin'ilay Page nao mba handefasana ny lahatsoratra Gazety Sekoly Alahady isan'andro mba ho vakian'ny olona ? AIZA NO TOKONY HANDEFASANAY AZY .

hery
(
23/02/2025 08:33)
Azonao atao ao amin'ny takila.serasera.org ihany.
Ampidiro takelaka vaovao isaky ny lahatsoratra
Ampidiro takelaka vaovao isaky ny lahatsoratra

SANAKERIB
(
25/02/2025 09:25)
Mankasitraka tompoko , dia mitomboa fahendrena sy fahalalana ary fahafoizana . Ny Tompo homba anao sy ny Ankohonanao any ivelany any .