KISENDRASENDRA ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus (NY Andri-Fara)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KISENDRASENDRA
( Fahatsiarovana an'i SAHOLY , mpianatry sœur de Cluny Tambohobe Fianarantsoa )
Kisendrasendra ve!
Ilay isika nifanena
Ka ny masonao mahery ,
Tsy tantiko jerena .

Kisendrasendra ve!
Ilay sangisanginao fahiny
Ilay feonao mihantahanta ,
Indrisy adino ve ankehitriny .

Kisendrasendra ve!
Ilay tànanao...
Nifandray tamin'ny ahy ;
Fony vao noraisinao voalohany .

Kisendrasendra ve!
Ilay vavanao niteny.
Nanonona ny anarako;
Voalohan-teninao ?

Kisendrasendra ve!
Ilay nahitako anao fahiny
Nambabo ny fitiavako;
Nomenao mba ho anjarako .

Kisendrasendra ve!
Ilay ianao niara-dia
Tsy menatra ny namanao;
Fony ianao niaraka tamiko .

Kisendrasendra ve!
Valio aho...
Rehefa hitanao ity amboara TIA .

Tsy kisendrasendra angamba
Mety ho rediredy ihany koa
Mety ho marina , tsy haiko .
Fa fitia noforonona tsy nisy .


01.03.1989 Raphaël Spartacus
Nohatsaraina . 29.07.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
151 3
Mpakafy: SANAKERIB - rina15 - francillon
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0827