LASA I DADA ( ALBUM ALOKA SY TSIKY ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA I DADA
[ Amboaran-tsoratra miteny , atolotro ho an'i dada : RAVELONTSALAMA Andrianarivo Guy Richard ; nandao anay ny 01.05.2005 = 19 taona lasa izay ]

Avy nianatra aho ,
Natompiko ny masoko .
Ontsa...nalahelo...;
Fa ny raiko !
Toa mipitrapitra...,
Tsy miteny...mahonena .

Tafatombina aho
Voaraiko indray ny tanany .
Tsy afaka namihana .
Tsaroako teo ny lasa...,
Dia indro nikoriana;
Moramora indray ny ranomasoko .

Dada hoy aho
Jereo ny Tompo
Izy no hiantehero....,
Fa kely ny andronao ;
Ka mamelà ny helony...,
Ho an'ny fahavalonao .

Tafatsangana aho
Indro i Dada...,
Mipitrapitra mahonena
Fa ny taona maro izay...,
Ny hafa no mba reharehany ;
Ireny izao no nanadino .

Niodina aho
Hampitaha ny lasa
Amin'ny ankehitreo ...;
Dia izao no hitako :
" Ho an'ny resy...
Ny fandriana no sakaizany "

Dada a!
Ianao no raiko tena tiako
Ahy tsy atakaloko na mahantra aza ;
Ny zanakao mantsy....,
Tsy mba nahita izay raibeny .


Dada...dada foana no hany mba tsaroana
Any ambany rangolahy...,
Voatototry ny tany....,
Mbola hifankahita angamba .


01.05.2012 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
141 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161