MAFY ILAY NAHITA (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAFY ILAY NAHITA
Nahoana moa ny androko rehetra
No tsy maintsy hanjombona ...,
Tsy misy fitsaharana , mangidy ka tsy laitra !

Nahoana koa izay rehetra hita
Sy ny manodidina no mandrahona ahy ?
Nahoana kay ry lahatra...
No nafatratra anaty haizina ny masoandroko .
Kanefa ilay tara-pahazavana nantenaiko taminy ;
Nihanalefaka aok'izany nandona ny fitiavako .

Nasesikin'ny alahelo sy ny ngidin'ny fiainana
Hitroatra ho aiza moa! Z'inona moa aho...;
No mba hitondra sy hitarika ny fikambanana ?!
Manana ohatrinona , teraka avy aiza!
Sao mitonatonana am-bovonana...,
Ka ilay tohatra hiakarana aza tsy afaka .

Na dia tsara aza ny fandaharan'asa atolotra
Na misy tia na tsy misy mpihaino...,
Mijoroa ho fanoitra , hampitraka Firenena .
Dia izao ataovy an-tsaina : " Mafy ilay Nahita"

30.04.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
72 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151