MAHANDRY ( album nofy sy tamberina ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHANDRY

Mahandry! tsy nahoako akory
Ireny fihetsikao...,
Manambara teny mamy ;
Ho an'ity mahantranao .

Fa nokaloiko moramora
Ireo hira mba fikalonao ,
Isaka ny diavolana ;
Rehefa injay ka manina anao .

Tsaroako ihany koa
Ny endrikao anaty tsiky
Misalotra ny volo lava olioly ;
Miramirana aoka izany .

Mahandry a! miantsa anao ny foko
Mahandry , mba tolory fa tanty .
Mahandry a! a ilaozanao misento
Jereo ilay toerako rehefa hitanao .

Fa izaho dia vonona
Hiara-dalana aminao
Rehefa tonga ilay fotoana ;
Hampakarako anao .

Angamba ampy izay
Ny ventsoventson'olon-tiana
Fa ho entiko matory ;
Ho nofy anaty fahanginana
Satria omaly ianao olon-kafa indray
No tafara-dalana nifampitantana...;
Tsy teo anilako . Efa fantatro !



Ambohitrakely : 08.03.2004 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
76 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156