MAMA (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMA
" Atolotro ho an'ilay reninay , malalanay izay marary efa ho Iray volana izao , ary vao nivoka ny hopitaly tsy ela akory , saingy ny omaly ihany ...Mbola mitsabo . )

Ilay reny natao hiangotiana
Fihantahantana tsy mba novidiana ;
Ankehitriny resin'ny fandriana !
Marary mitady ny fanafana .

Reny niaritra ny mafy
Nitaiza ary koa nanabe ;
Ankehitriny efa osa mantsy...,
Sakaizan'ny toeram-pitsaboana .

Indreto ireto zanany ny zafiny
Eo anilany mamalifaly azy ery .
Sao ho fotoana fohy mantsy...;
Fa ny aina hono tsy mba mifametra .

Na izany aza , tsapanay ry Ray ao ambony
Fa mbola ilaina i Mama andry iankinanay .
Ka mivavaka izahay , hivavaka ho azy ...,
Mba homenao tompon'andro ho an'ny reninay .

Tompo o ! Io ilay reninay tsy foy
Tokana tsy hananam-piry....;
Ny Sitrakao no sitrakay ;
Mba sitrano re! i Mamanay .

Ny helony rehetra..., ny helokay ihany koa
Hifonanay Aminao , Avelao ny fahadisoako .
Io ilay Mamanay ...Raha sitrakao Sitrano re!
Ka ny rofiny rehetra ho afaka aminy avokoa .


Ambatomaro - Andraisoro 08.07.2024
Ampandrianomby 07H59Mn Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
203 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2639