MISY NY MITIA ? (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ny Mitia ?

Nahoana kay ianao
No androany no nilaza .
Ka nandrenesako ny feonao !
Mikarantsana aoka izany ;
Manambara ilay fitiavana .

Tia ahy ianao
Tsy laviko izany , saingy indrisy ...,
Nahoana kay ny lahatra ;
No niangatra ? Nadaboka !
Ny fo maratrako...Tomany .

Andeha ianao...Tsy fantatro
Angamba mbola hihaona isika
Kanefa , tsy maninona raha sitrakao ,
Adinoy ny anarako fa izay no sitrako ?
Andosiro ny fitiavako...Veloma ianao .

Eny e! fafao ny lasantsika
Dia aza averina hitamberina ;
'lay tantara mahonena ...,
Hiangaviako ianao any lavitra any
Ny dindo nampiray antsika aleveno .

Ry Sombinaiko aza hikoriana
Amin'ny tavanao ny ranomasoko .
Ny aloko mitady hanelingelina...,
Hibanjino ny alokin'ny manina ;
Tiavo ilay tsy tia na tsy mendrika aza .

Mafy ny mitia...Fitia tsy namaly
Tia ahy ianao saingy indrisy ;
Ny fahantrana nitambesatra amiko ,
Tsy ho zakanao rahavako ...
Ka aleoko hitia anao mangina .

Iza no antenaina handrindra izany ?
Ny hery sy ny fahafahako ,
Ny Soratra miteniko ?!
Manoloana ny fitiavako...;
Tsy fantatro....

" Lasa ianao...
Vao tsapako ny fitiavanao "

Andrainarivo . Tamin'ny 11h 40 mn
23 Jolay 2006 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
99 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149