MISY NY MITIA (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY NY MITIA

Nahoana kay ianao
No androany no nilaza .
Ka nandrenesako ny feonao ,
Mikarantsana aoka izany ;
Manambara ilay fitiavana !

Tia ahy ianao ,
Tsilaviko ; saingy indrisy...,
Nahoana kay ny lahatra ;
No niangatra ? nadaboka...!
Ny fo maratrako...Tomany .

Andeha ianao...tsy fantatro
Angamba mbola hihaona isika
Kanefa , tsy maninona raha sitrakao ;
Adinoy ny anarako fa izay no sitrako ;
Andosiro ny fitiavako ; veloma ianao .

Eny e! fafao ny lasantsika
Dia aza averina hitamberina ,
'ilay tantara mahonena ;Hiangaviako ianao any lavitra any
Ny dindo nampiray antsika aleveno .

Ry sombinaiko aza avela hikoriana
Amin'ny tavanao ny ranomasoko..,
Ny aloko mitady hanelingelina ...;
Hibanjino ny alokin'ny manina ,
Tiavo 'lay tsy tia na tsy mendrika aza .

Mafy ny mitia...fitia tsy namaly
Tia ahy ianao saingy indrisy
Ny fahantrana mitambesatra amiko ,
Tsy zakanao rahavako...;
Ka aleoko hitia anao mangina .

Iza no antenaina handrindra izany ?
Ny hery sy ny fahafahako ,
Ny soratra miteniko...,
Manoloana ny fitiavako ;
Tsy fantatro
" Lasa ianao...
Vao tsapako ny fitiavanao"

Andrainarivo . 23.07.2006 , tamin'ny 11 Ora mahery 40 Minitra
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
141 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171