NA DIA MAFY AZA ( Album ALOKA SY TSIKY ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA DIA MAFY AZA
Ry alina mangina tsisy feo
Hono hoy aho nankaiza ?
Ireo sakaizanao tsy nahasaraka ,
Fa toa aloka ankiray ;
Tsinjovin'izato volana toe lefy taratra
Indro fa mandroso hatrany ,
Hamonjy izato tendrombohitra tomavana
Ho aiza ? ary avy taiza !
Fa manjoretra izato aloka .
Alok'iza no manjenjeny ?
Alok'iza no mirenireny !
Toa aloka mahantra sy fadiranovana .

Mba alo'iza loatra lahy izy iny
Fa tsy aloka mpangalatra
Na mpijanga na koa mpamosavy ,
Fa toa aloka tsiahy sy mistery
Aloka hanambara ny hoaviko tontolo
Aloka hamantarako ny fiainako ihany koa .


16.02.1995 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Alahelo
142 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1931