NANGIDY KA TSY TELINA (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANGIDY KA TSY TELINA

Fararano hafahafa ny aty aminay
Vokatra avokoa izay rehetra nambolena .
Nioty saingy foana tsy tanteraka ;
Izay rehetra novolena tsy mba nohanina akory .

Faritana ho iray ny olombelona
Mitovy zo , sy fahalalana ary koa fahaizana .
Kanefa misy ny mahantra sy miraoka fakofako ;
Tsy mahita izay ho anjarany , ka mangalatra no hitany .

Herisetra angamba izany, nefa tsy haiko akory
Nahoana moa ny tany no mbola feno hadalana?
Trano fivavahana miorina hatraiza hatraiza !
Miha-mikorosy fahana ny fiainana eto an-tany !?

Nampianarina hifankatia , hifanaja ihany koa
Na ny mpiara-miasa , na ny mpiara-monina .
Fa izay jerenao mikorontana avokoa ;
Vokatry ny fitiavan-tena , sa te hanjaka irery ihany koa .

Hifidy aho , sa hofidiana ...aleo atao hoe , Fidio aho
Ka rehefa izaho ny lany eo...dia ho hItanao ny tohiny .
Ka ny vola natokana ho fampandrosoana...;
Lazaiko anao...Fa avy aty amiko...Omeko tsotra izao .

Ny fanampiana avy any ivelany , tsy ho adino velively
Hamenoako ny ato am-paosiko , fa ny ahy efa nolaniako .
Hotolorako sakafo , koveta miampy vary iray kapoaka !
Omeo ahy ny fahefana , hitsetsefako ny ankohonanao .

Ireny foto-drafitr'asa ireny , tsy vita raha tsy teo aho
Nolaroiko teny mamy fandresen-dahatra mafonja .
Izaho no nahavita izany rehefa laniko ny am-pahany ,
Ianareo kosa hangina sy hifotetaka amin'ny tany !

23.04.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
58 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016