NDRASANA A ! ( ALBUM : SANGODINA ) Raphael Spartacus (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NDRASANA A !

Ndrasana a!
Mitsangana sombinaiko
Dia mitoera eo anilako ,
Alaivo ihany koa ny peniko
Ka avereno adika indray ny diariko ;
Fony aho nitia anao ,
Fa izao tontolo izao...;
Minia tsy mahalala ahy sy ianao .

Dia soraty ihany koa
Izay mba kely fantatrao .
Ka mivonona hizaka izany ,
Satria nisedra ny tsy rariny .
Fony aho nitia anao
Niaritra ny mafy ,
Nijaly tsy nahita anao .

Tantarao daholo
Adidinao izany...;
Fiangaviana ihany anefa .
Ranomaso tsy hita lany
Noho ny herin'ny fitia ;
Tao anaty fahoriana ,
Teo anilan-jokinao .

Rehefa vita izay
Atambaro ho amboara iray ;
Ireny lasantsika ireny .
Ndrasana a! tantara izany
Tantaran'ny fitia
Nitondrantsika ny ngidin'ny atao hoe " Tia "

Ndrasana a!
Rediredy ny ahy
Fa tsy ho tafaray mihitsy ...;
Izato lalantsika hizorona hitia
Satria ...izay no anjara
Ho mpinamana doria


Avaradoha . 06.05.1995 Raphael Spartacus
--------
Rohy:
153 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0365