NY RARINY (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Rariny

Fotoana ela tsy nisy izay niandrasako azy
Fotoana sarobidy namotehana ny fiainako .
Na aiza na aiza teto an-tany nisy ny fisiako ;
Sasatra nitady nampitady ny fisiany .

Ny Rariny ...hay tsy natao ho ahy
Tsy natao ho anay mavomavo tahaka izao .
Aza lany andro hitady ny tsy misy...,
Zarany aza ianao potika sy lavo .

Iny ranomasonao iny na ny sento lavanao
Tsy ahoany akory fa nofafany ilay dianao .
Hitady indray ny rariny tsy hanampy anao akory ...,
Satria nahoana hoy anao ? Ny fahefana efa any aminy .

Ny fiainanao rehetra mba hankinina aminy
Nilaozany tanteraka efa resy indray ny rariny .
Aleo mangina tsy hiteny na hivolagna hiantsa !
Tsy hisy dikany ianao ambany fahefana ?

Ny rariny hitompoana...Mafaitra no azonao
Kapoka tsy ampoizina raha miseho mafy loha .
Te ho voaraoka hibaby ny tsy laitra angaha !?
No handrangaranga ny rariny tsy ho anao ?

Narotsako ihany hikoriana amin'ny tavako
Ny ranomasoko tsy tohako ato am-poko .
Indrisy mantsy fa rahoviana ihany....;
Ilay rariny itompoako vao ekena eto an-tany .

" Mangina ianao....Fa reraka eo...Tsy hisy izany "

Ampandrianomby . 07H 10 mn maraina
Zoma 22 Martsa 2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
51 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156