SATRIA NAHOANA ? (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIA NAHOANA ?

Norantsanana ilay hazo nidoroboka
Nokapaina ,novonoina…, tsy nataina .
Navela fotsiny eo , ho lo tsy mba nampiasaina ;
Ny mpandalo aza moa indrisy fa tsy te ahalala .

Kanjo …, indro tsy nampoizina
Nitsimoka ilay hazo norantsanana ,
Nisandrahaka namony mavokely feno rantsana ;
Nahafinaritra ny maso hoan’ireo nitazana .

Dia tonga indray ilay mpandrantsana
Tsy nahoana akory , izato rantsana namelana ;
Avy hatrany nokapaina sy nadaboka !
Fa manalokaloka ny hafa angamba .

Satria nahoana …vao nijoro dia sakanana ?
Izany ve no lalàna tsy maintsy diavina !
Tsy ho kivy aho satria…, na sarotra ny dia ;
Ny tanjona tratrarina , mbola maro no tsy vita .

Feno antso hafahafa manelingelina
Fahitana tsy voafaritra hanimba ny finoana ,
Fijoroana fahasahiana ho an’ny fanompoana ;
Izany no ilaina raha te ahita vokatra .

Aoka izay ny vava tsy ambina , nafafy am-pamoloana
Aoka izay ny tendrom-po , fa anao koa ny Fiangonana.
Aoka hazoto hitana ny firaisana , ho fehim-pihavanana ;
Aoka ny fontsika hanaiky …, mba ho iray ny Finoana .


Ampandrianomby tamin’ny 08 Ora maraina
17.04.2024 . Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
83 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144