TADIDINAO ? ( ALBUM ANTSA SY EMBONA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadidinao ?

Tafaraka isika , tamin’iny lalan’iny .
Tadidinao ? Tadidiko ny teninao…;
Maneho fitia , nampangain’ny fo !
Teo anilako…tsy fantatro na fantatro.

Tsy fantatro raha tadidinao ;
Ny nizorantsika tamin’iny lalan’iny .
Ny teninao nanohina ny fo ; nanambara an-kasahiana !
Angolan-teny ho an’ny tiana .

Dia naleoko nitsakotsako izany , naneho am-po
Ny fijeriko anao…namerina ny tsiahy .
Roa taona lasa izay ! Anjara ve ny antsika …;
Henoy ny bitsiky ny fahoriako .



Martsa 1990 . Ny Andri - Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Alahelo - Aingam-panahy
72 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145