Dikasoratra (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Nantsain'i ikalamako
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIKASORATRAPoeta dia ilay olona mitafy nofo sy rà,
Tsy lafatra akory;
Fa hay misy tovon'ny fanahy,
Ka afaka mitony.
Poeta ilay anjely,
Misikina nofo;
Heriny ao anatin'ny teny,
Ampitafiany loko.
Poeta dia mpaminany,
Afaka amaly akamantatra tsy takatry ny saina;
Izy dia Andriamanitra mpiahy,
Afaka mamoha sy mitory,
Fa tsara ilay mpamboatra.
Poeta,
Dia olona tsotra fiaina toy ny rehetra ;
Ny talenta sy rijam-panahy no anavahana,
Fa olona miavaka izany vita dikasoratra.
Koa aoka hitsahatra hatreto ireo fanokajiana,
Sy fanitarana hoso-bovoka anarana.
Ndeha hasiana lalàna,
Fa ny poeta dia tokony harovana,
Hitodihana amim-panajana,
Sy hamantarana azy etý ivoho.
Mbola tsy hary akory ny vanin'andro anio,
No efa naminany ny fiainako ianao poeta;
Voasoratrao hatramin'ny làlana sy ny kiho
Ary ny firafiny rehetra.
Ny Hafatra Randriantiana, 05/07/22
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
Ny Hafatra Randriantiana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Hafatra RANDRIANTIANANampiditra : Ny Hafatra Randriantiana
Daty : 27/02/2025 17:32

Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Audio Player