MAMBA NOANA (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamba noanaHitako ho tsara fianjaika ianao ry zandry
Amin'ity moron'ny ny rano filalaovana ;
Etsy anefa misy ny efa manasahasa vangy,
Miandry faingonao mihantona.
Eto misy mamba noana miriaria
Mitady izay hororitina;
Dia tazàno itsy koa ilay dengin'ny farihy
Handetehana haza voasambotra.
Iretsy antaranoana mitety moron'ny fandalovana
Hamotraka sy handavo no kendreny ;
Hampandamaka anao am-pandriana
Hitetika ny hihinana ny nofonao malemy.
Ireny efa tompon-daka raha hamandrika sy handango,
Manaova soa ianao famindra tsy ho lavo;
Ireny efa fahavalo,
Ka mahaiza ianao mianko.
Raha ianao tratrany soa amin'ity haratony,
Dia tazàno irony dobo irony ;
Fa ho eny ny vatanao hivalampatra
Hihazo ny lalina ambany,
Ny rànao hanova lokon'ny rano.
Tandremo ry zandry!
Voay noana izato mipelipelika;
Mandrangi-kihy izy irony miandry,
Mandamina tetika hihinana ny nofonao sendra roboka.
Tsy mampatahotra aho tsy akory,
F'izaho mba manafatra;
Izaho no zoky
Miteny sao ianao ho isan'ny rakotra.
Ny nenina tsy mba namana malala ah!
Fa fahavalo hitrongy ny ratranao;
Ianao mitoky amin'ny rahona mihevaheva
Dia ho ratsy fiafara ny tantaranao.
Tandremo ny lalao amoron-drano,
Fa ireny voay ireny anie ka mipelipelika e!
Efa miomana izy handrombaka ny hatsaranao mandalo,
Sy handratra ny fonao marefo.
Ny Hafatra Randriantiana, 24 Novambra 2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fananarana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Hafatra RANDRIANTIANANampiditra : Ny Hafatra Randriantiana
Daty : 27/02/2025 12:03
