Manina anao (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manina anaoRaha lavi-tany misy,
Ity nandao tsy satry
Injay fa mahatadidy
Iny làlana tanaty diary
Injay fa misonenika ireo tsiaro
Mianika hati-doha mangina
Manembona tsy miato
Manina malala tiana.
Rehefa isika iny takariva mena masoandro
Nampirampiran-tsoroka teny amorom-parihy
Sangisangy teny amoron-drano
Sy niara-nakanaka felan-tatamo.
Raha lavi-tany misy
Ity nandao tsy satry
Dia mety hitanisa tsiaro vitsivitsy
Izay niarahana tany
Manina anao aho lalaina a
Te hampirehitra ilo
Kanefa,ho avy io ihany ilay maraina
Ka aza mba manadino.
Ny Hafatra Randriantiana, 31 Martsa 2022
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Ny Hafatra RANDRIANTIANAInséré par : Ny Hafatra Randriantiana
Date : 27/02/2025 12:02
