You are here: home > Vetso

Aza ....... - Ny Hasina Heritiana

Azo vakiana?




Aza miteny akory hoe ho vitanao;
Nefa hay tsy hainao hatao;
Aza lotoinao ilay foko efa madio;
Satria fantatrao fa hany mba fananako io.


Aza mampanantena ahy ny tsy hisy;
Raha toa tsy ho sahinao;
Fa hampiteny ahy ny indrisy;
Tahaka izay tsy nisy anao.


Aza milaza lainga amiko;
Aza manao intsony toy ireo izay teo aloha;
Fa rehefa hoy ianao hoe ho mandrakizay;
Dia aleo angamba hiainana amin'izay.


Aza dia mamitaka ahy;
Ka manafina toetra;
Fa tsy maintsy mbola hiahy;
Ny lamba malotonao rehetra.


Tsarovy fa ho tia aho;
mandram-pialam-pofonaiko;
Mandrakizay ho anao;
Anao hatramin'ity aiko.

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

nikopol (30/08/2004 10:17:35)

Tsara zany fitiavana zany an!

yonikafopl (30/08/2004 15:20:26)

izany ve ry niko?????
hummmmm

maeva74 (05/04/2010 21:50:35)

Tsara e!

Hametraka hevitra

Midira aloha