You are here: home > Vetso

Ilay fitia tsy ho tanteraka - Ny Hasina Heritiana

Azo vakiana?

Mijery anao aho , dia lasa ny fisainako;
Mamisavisa irery izay mety ho fiainako;
Mijery anao aho dia maminavina;
Ilay foko tia, moa ve mba ho tiana?

Maminany aho izay ho eritreritrao;
Mamerina ato an-tsaiko ilay tsiky maminao;
Ka ataoko ahoana loatra;
Ny hampangiana ity foko tsy hitroatra?

Nefa iza moa no  afaka hilaza,
fa ilay ilako efa lasa?
Iza aho no hiteny,
Fa tsy misy afa tsy ianao irery?

Nefa manantena aho fa mbola misy kely;
Toerana ho ahy ao am-poanao ao,
nefa raha toa ka tsy hisy velively,
aoka aho mba ho tena namanao.

Na izany aza ho tiako foana ianao,
hotiaviko mangina tsy hataoko resaka,
Hokoloiko ho kanto ao am-poko ao,
Ilay fitia na dia tsy ho tanteraka.

Sokajy : Fiononana, FITIAVANA

Hevitra mandeha

chipie1 (15/12/2004 19:34:31)

fitia tsy raikitra zany tsy atao maharatsy fihavanana

yonikafopl (15/12/2004 22:10:00)

marina aky zany chipie a!!!

vetsoko (15/12/2004 22:35:30)

eny e!tsy maty antoka ianao mitia e!

yonikafopl (15/12/2004 23:17:19)

ny mitia hono no maha sambatra kokoa noho ny tiavina, asa!!

tsikikely (16/12/2004 13:16:33)

Izao é, tsara ilay fitiavana fa rehefa tsy tojo ny olona sahaza azy dia ajanony any, mamboly fitiavana amin'ny hafa indray é.

Malalason (17/12/2004 08:56:09)

andray e! na tsy izaho aza no nanoratana ity kalo ity dia mitriatra ihany ny foko, nahoana? satria mahery fandratra ny fitia, ary @ fotoana tsy ampoizina no hitrangany, tsy azon-tsika olombelona atao mihitsy anefa ny hiaina tsy misy fitia, ka na hila hanapitra ny aina aza, na hanapaka fihavanana aza dia izahana atao ihany ny mahatonga izany dia fitiava ihany tsisy afatsy izay aloha raha amiko
Ka Mahereza ry Tina
Fa ny tany tsy lany hamamiana
Raha olona iray no nanadao
Tsy anjara ka soloy vaovao

Malalason (R. JO)

ftma (17/12/2004 14:02:07)

Yonikafopl, voavakiko ity tonokalo ity ary mino aho fa nananmpy sy nanome hery hoan'ireo namana sendra izany.
Araka ny nolazain'i Chipie1 hoe " fitia tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana"

yonikafopl (17/12/2004 20:59:07)

Misaotra an'i tsikikely sy malalason @ fampaherezana, ftma misaotra aky a!

Hametraka hevitra

Midira aloha