You are here: home > Vetso

Mahereza!! - Ny Hasina Heritiana

Azo vakiana?

( Ity tononkalo ity dia valin'Ilay Fitia Tsy Ho Tanteraka  avy amin'ilay olona iray izay, tsy izaho no namorona fa mamerina izay nosoratany fotsiny aho)

Tena tia hoy ianao; lasa saina maminany;
Manontany koa ; maminavina;
Izay an'eritreritro ao;
Ny fonao ampitsikio; tsy ho resin'ny tomany;
Satria , henoy anie ry Tina;
Fa toa orana mitraho;
Ity fo tia ka toa adala;
Te hiteny sy hikiaka anatin'ny alina mavany;
Hiantsoantso koa tsy hangina;
Ilay fitia ho anao ry lala.

Fantatrao; tsy miafina amiko;
Fa lalana tsy mifanjohy;
Nefa koa hifampitohy;
No hizorantsika izao;
Koa mahereza aza malaina;
Ho tody soa ty lalaina.

December,20,2004

Hevitra mandeha

yonikafopl (11/01/2005 01:57:51)

misaotra anao namaly ahy satria na tsy mifanjohy aza hifampitohy ihany.Mbola hisy fanantenana ihany izany aoriana any.

chipie1 (11/01/2005 15:13:08)

fa izay rehetra velonaina
mbola hisy antenaina akia .

Hametraka hevitra

Midira aloha