You are here: home > Vetso

Vavaka noely - Ny Hasina Heritiana

Azo vakiana?

Andriamanitra o!
Amin'izao noely izao;
Dia mba hiangaviako Ianao;
Any izay ilay tiako izay;
manirery tsy eo anilako;
Mba vangio
Ampifalio.

Ray o!!
Ilay foko tia no omeko azy;
ho fanomezana
amizao noely izao;
Ny hangatahiko aminao;
mba hampahafantaro azy
fa tsy hisy hanenenany
io fitia atolotro io.

Tompo o!
iriako Ianao;
Mba hampitombo ilay fitia ao anatiny ao;
Ka ho fitia hankasitrahanao
no iarahanay miaina;
hifalianay am-pitiavana;
Dia ho fo feno hasambarana ;
Fa tsy ho karakaina.

Ampahafantaro azy koa;
Fa tsy hisy hampanahy;
Ilay fitia izay namoa;
Tao anatin'ny fonay;
Fa  fitia mifamaly,
Fitia hanafaka ny jaly.

Andriamanitra o!
Izay no vavaka asandratro;
Amizao noely izao. Amen!!

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha