Alahelo an'iarivo (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ilay Iarivo tsy foiko,

Misandratra ao anaty
Ireo hanitrao rehetra
Misokosoko mora
Maka toerana isan’ora
Milafika mirendrika
Ary tsy mandao
Ireo tsiaro maminao!

Iarivo raha vao tazako
Dia mamohafoha ny fitiavako
Misy hery toa misintona
Mihazona manintona
Raha vao mahadingana
Ny vavahadin’ny tanàna
Misokatra eny Ambohibao
Manosika ahy hiditra ao
Iarivo hambabo anao!

Mirentirenty ny eny Anosy
Filomanosan’ny arosy
Vohitsara sahisahy
Toa maneho fa tsy manahy
Manasa ireo mpandalo :
Alaivo mora, ento mora
Hoy ilay tanana miangola

Isan’andro ny eny Analakely
Miloko angolan’andro fety
Manako hatreny Besarety
Ny korana eny Ambohijatovo
Ny fahanginanao ry Betongolo
No ahatazanako ny Rova
O ry Iarivo very Trano Vola
Malahelo anao anie ny foko !

Ny Kanto.Iarivo. 21H38 6 mars 2004, St François
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina
1925 2
Mpakafy: booboo - NyKanto
Hevitra mandeha
raozigasy ( 08/06/2004 01:07)
raha manina an'Iarivo ise
izaho manina an'i gasikara
ny alahelontsika anie
tena mitovy sy sahala

atolotro hovakian'ise ilay tonokalo hoe MANINA , ary hampiarahiko amin'ny dikan-teny frantsay malalaka
raisap12 ( 10/06/2004 08:43)
mahafinaritra be ilay tonokalonao
tsy manadino ilay tanana
na dia toa efa zary tamana
tany antany lavitra any aza
aza kivy fa mahereza, mitraka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 03/06/2004 05:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147