Ampianro hanetry tena (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona no manan-danja
Voalohany amin’ny fiainako.
Ilay tarigetra iray mafonja,
Lohalaharan’ireo zotrako ?

Fa norohako avokoa
Izay hitako fa tsara,
Hay nofy ireny moa
Ary koa tsy tena anjara.

Fa ianao no Masina indrindra
Ry Tompo sy Andriamanitro.
Ianao irery ilay Mpandrindra
Ny rehetra haiko sy tsy fantatro

Meteza Ianao ho Lohalaharako
Ho andry afo, ho andry rahoko
Mpitarika anoloana, sy avy ao ivohoko
Ho mpitantana ankavia - sy ankavanako

Satria tena fantatro,
Fa raha izaho irery
Tsy ho vitako izany
Koa ampianaro hanetry tena
Hanaiky ny ho entinao.

Ny Kanto. Parisy, oktobra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1667 2
Hevitra mandeha
hery ( 28/10/2004 11:15)
Atahorako hampitaha ny fitiavana ny olombelona amin'ny fitiavana an'Andriamanitra ny zavatra toa ity...
Hoe Ianao ry Tompo no tiako ka tsy hanoroka oul hafa intsony aho :-)
Mety e
andriary ( 28/10/2004 12:15)
amen!no comment ry kanto a!
amen!
nyeja ( 28/10/2004 16:57)
mampatsiahy ahy ilay tononkaloko hoe "aza avela"

ka izay mitady dia omena
ilay fitia manetry tena
hitondra izao tontolo izao
hanaja sy hanompo anao
Ny eja
tsara ry kanto ny tononkalo midera an'andriamanitra satria dia mahita fahafam-po tsy hay hazavaina avy any anaty ny manao azy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 26/10/2004 17:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102