An-taratasy sy an-dovia (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘Raha tsy ho avy hono ianao
Dia aleo ajanona hatreo;
Ela loatra izay niandrasany izay.
Dia nampiany koa hoe leo,
Tsy tiany intsony ianao’
Dia hoy ianao hoe :

Ny tiako tsy tia ahy
Ary tena mampanahy,
Toa manao an-katerena
Sy mitamby volamena

‘Tonga ihany anefa ianao,
Sahy nangataka ny tànany.
Tena tia ka dia niroboka,
Ny fitiavany hilalao.
Ny fonao ihany no nidoboka,
Ny azy faly fa nandrombaka !’
Dia tsy fantatrao fa :

Ilay ‘eny’ tena izy
Nataonao sarobidy
No hifampizara lapa
Amin’ny azy ‘(t)eny’ fitaka

‘Dia tsarovinao koa ilay volan-tantely
Alina hafa kely, tsy mamy toa tantely
Izay namakiany ireo adidy,
Tsy nasiany andraso andraso
‘Lay nanaovanao sonia teo ampahibe-maso
Nanasanao havana, s’ireo sakaiza tia.’
Izao vao gaga ianao satria:

Fa ny azy tsy fitia,
Fa ny azy hay sonia,
Fa ny azy tsy fitia
Fa ny azy hay voarakitra,
An-taratasy sy an-dovia!

Ny Kanto. Parisy 2004-09-17
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy
2124 1
Hevitra mandeha
bichette ( 27/09/2004 07:07)
oups ! mampalahelo be izy izany. sao kosa tamin'ilay volan-tantely dia novakiany tsotra izao fotsiny ireo didy "sous forme" ????????
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 17/09/2004 13:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106