Ari-torim-pifaliana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy natory aho alina,
Ary tsy an-kijanona
Ny filaharan’ireo nofy
Nokasaiko ho anao,
Hotanterahina izao

F’efa nisy tokoa :
Nofy mafy loha
Nofy te hifoha
Nofy avy ao am-po
Nofy ho antsika roa
Resin-tory ela tao

Ilay nofy mafy loha
Izao no mifoha.

Tsy nahita tory aho satria
Ianao nilaza koa fa tia.
Nofenoim-pitiavana
Dia nibitaka ny foko
Namoha ‘reo nofinofy

F’efa nisy ihany tao :
Nofy te hitroatra
Nofy te hivoatra
Nofy mamy loatra
Nofy tiako ho anao
Saiky tsy nifoha

Ilay nofy mamy loatra
Izao no mifoha

Tsy tafatory aho akia
Nahatsapa fa hoe tiana
Izaho efa ela no nitia.
Ka aritorim-pifaliana
No miventy nofy faly ery.

Ny Kanto. Montpellier 2004-07-25
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1172 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 27/07/2004 10:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.034