Avelao aloha hikija (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao aloha hikija
Hilatsaka ny orana,
Ireo sento sy tomany,
Raha tsy izany tsy hisava
Ireo rahona matevina,
Hampody indray ny lanitra,
Ho mirana sy ho manga.

Avelao aloha hikija,
Hiraraka ny havandra,
Ireo teny ts’isy maminy.
Ho afaka ny fony
Sy ny loniloniny
Hitsiky indray ny tavany,
Ka tsy hamosavy intsony.

Koa nahoana ianao no kivy
Raha nanao dridrangilo
Ny havandra sy ny orana ?
Tandrifin-drahona ihany ireny,
Na toy ny maizim-bolana.
Ny endrikao no hazony ho mirana

Ny Kanto. Parisy okotbra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
927 0
Hevitra mandeha
booboo ( 26/11/2004 18:18)
hummm... mila faharetana raha zany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 20/10/2004 15:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141