You are here: home > Vetso

Azonao ovaina - Ny Kanto

Azo vakiana?

Azonao Ovaina

Azonao lokoina ho fotsy
Ireo raho-mainty mitataho
izay mitady handrakotra
‘Lay masoandronao misandratra

Azonao avadika hafaliana
Ny alahelo sy hakiviana
Na dia mafy ny manjo
Raha ao ilay mpampaherinao Tsitoha

Azonao hafanaina
Ilay ngolin’ny hatsiaka
Tsy nampamirana ny tava
Hamitranana ny tritra sy ny efa rava

Azonao ovaina
Manomboka anio
Ny ratsy rehetra rehetra
Mba ho tonga soa tsy manam-petra

... Raha ny fijery no sitraninao aloha

Ny Kanto

Sokajy : Fampaherezana

Hevitra mandeha

Malalason (29/05/2006 09:25:58)

Ho tanteraka tokoa anie izany!
AMEN.

Malalason

Hametraka hevitra

Midira aloha