You are here: home > Vetso

Dada sy neny - Ny Kanto

Azo vakiana?

Ianareo

No nampianatra ahy hampitony
fo sy saina ary fanahy
Mba haharitra amin’ny ady
Sy sedram-piainana mandalo

No nampahatsiahy ny fiandrasana
Raha miandrandra fanambinana
Mba hahay ho faly sy ho ravo
Rehefa miaina fahombiazana

No nampihazona ny tsiky,
N’inona n’inona miseho,
Tsy hiala teo an-tavako
Ekeko f’ianareo mihintsy :

No fahatsaram-panahy!!!

Dia tiako sy tsy foiko,
Nataoko havatsa ao am-poko
Dia mamiko lalaiko,
Ianareo loharanon’ny aiko

Tsy mba manadino ahy!!!
I Dada sy I Neny

Ny Kanto, Institut Pasteur 2005

Sokajy : Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha