Dia toa nisy.... (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIA TOA NISY…

Dia toa nisy sendrasendra,
Dia toa nisy ilay fihaonana,
Dia toa lasa hoe lanonana
Ilay fotoana ifanomezana.

Dia toa nisy teny mamy,
Dia toa nisy safosafo,
Dia toa lasa ireo tomany
Nosoloin’ny tambitamby.

Dia toa nisy finamanana,
Tena tsotra sy milafatra.
Te hiara-hifampitantana
Hanatontosa soritr’asa.

Dia toa nisy andro iray
Faniriana ny hampiray
Tena lasa fikasana,
Soso-kevitra ho sampana.

Dia nisy antso natao
Hanatevin-daharana,
Ho fifankatiavana,
Hanjary fikambanana.


Ny Kanto & Lalatiana. Frantsa aogositra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1024 2
Mpakafy: iharantsoa - NyKanto
Hevitra mandeha
Oully ( 28/08/2004 13:10)
hi hi hi ary mbola hisy !!!!
nyeja ( 29/08/2004 12:08)
dia toa nisy masoandro
vao niposaka any ho any
dia toa nisy vaninandro
andrandraina ho tena mamy

Ny Eja (29/08/2004)

mety azo tohizana tahaka izany ve ilay izy ry nykanto !
mankahery anao hatrany ny namanao dia efa napetrako koa ny toerana "misy ahy" an !.
Ny Eja


nyeja ( 29/08/2004 12:10)
efa nanome isa koa za a efa fantatrao ny isa omeko amin'izany fa ny isa 5
bichette ( 30/08/2004 07:17)
oay ! oay ! pay ! mahafinaritra tokoa, tsy nampoiziko mihitsy fa dia tsara e !
hitohy hatrany anie.
Ary mbola hisy hatrany tokoa ....
NyKanto ( 30/08/2004 08:29)
Ny Eja,
Tena azo tohizana tahaka an'io tokoa...Mankasitraka.
Ny Kanto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 27/08/2004 10:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148