Embon'ny nilaozana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Embon’ny nilaozana

Ary omaly mihintsy teto
Ireo kalo nisalovana
Nofim-pahatsiarovana
Toa tsy nisy akory!

Eto, manirery, manonofy

Mainka izao koa reko
Ireo feo sy ny korana
Niriko ho tamana
Tsy tana, manakora!

Eto, manirery, feno banga

Mamy iky ireo fihaonana
Mitondra soa ny fitsidihana
Fa mangidy ny ilaozana

Fa tantely miharo vahona
Fisarahana sy Fihaonana
No manjary ho fiainana


Ny Kanto. Institut Pasteur Parisy, 2005-03-21
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1189 1
Mpakafy: poly
Hevitra mandeha
andriary ( 14/04/2005 12:35)
lasa izy dia tsy niverina intsony!
asa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 31/03/2005 16:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153