Fahadalam-pitia (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho jereko irony kintana
Mampitsiry fikasana
Manosika ahy hankany
Tsia, tsy izaho no ratsy vintana,
Na minia manda ny fanasana
Elon’ny foko izany
Amin’ny oran’ny tomany

Tsy ho tazaniko ny volana
Mankararirary fo,
Mampanembona ihany koa,
F’aleoko aloha tsy manina
Tsy hamoha ireo sary an-doha
Sy toreo hamefika ny fo
Dibo-drano sy efa fanina

Tsy avelako hisy torimaso
Hitsoahako ireo nofy
Izay mandavo ahy isan’alina
Tsy ho velomiko ny afon’ny
Fitiavako ho tafarina
Ka hihena sy hilofika.

Tsy ho akimpiko ny maso
Fandrao hamisavisa
Ireo endrikao mitsiky
Fa ampy izay ny ankaso
Tsy namela ahy hitanisa
Ny fahatsaran’ny fitia
Fa mbola iriko ny mitia.

Ny Kanto. Desambra 2004.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1253 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
Malalason ( 07/01/2005 07:42)
Mahereza r'se a!
ny iray am'reo idifian'se ireo anefa tsy maintsy hiverina haneloelo an'se foana n'aizan'aiza, miomana fotsiny hiatrika izay mety hiseho
satria aloka tsy azo ialana ireo.

R.JO
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 06/01/2005 17:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143