Fandresena mahonena (2) (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setriny ho an\'i (Arcnae)

Iza moa no ho faty raha hikasakasa
Hihoatra ny tsy takatry ny aina ?
Fandresena, fandresen’ny very saina
Satria ny fitaka no maka laka

Ny mandresy ekeko fa fihoby
Ny resy koa ho fanakora
Fa raha jerena tsara dia bakora
Ny medaly iambozonany ho tola

Fa miala anie Rafahendrena
Raha vao tonga teo Ravola
Mitampify Rafanetrentena
Anjakazakan-dRafandresena

Dia inona hoy ianao no tokony hatao ?
Tsy hozaraina roa ve ny lalao ?
Iray ho an’ireo olontsotra ts’isy fitaka
Ny hafa hoan’ny mpilalao mpamitapitaka
Amin’izay dia itehafako ny fandresena
Satria zara-mira ireo hery ifanandrinana

Ny Kanto.
--------
Rohy:
1092 0
Hevitra mandeha
arcane ( 27/08/2004 15:34)
arcane fa tsy Arcnae :)
Ny tiako hambara fostiny ange dia hoe tsy nikatsaka fandresena ny malagasy, nohon'ny fahendreny angamba ?
NyKanto ( 27/08/2004 17:17)
Tena fahendrena amiko lay hoe ny fandraisana anjara no zava-dehibe ... diniho anie fa 202 ny firenena mandray anjara amin'ny lalao olympika, nefa misy firenena ao mandefa ny mpilalaony na dia fantany aza fa tsy hahazo medaly , fa dia mandray anjara ihany... mendrika hoderaina izany, nefa ao koa ny mandefa ny azy izay tsy mikatsaka afa-tsy ny medaly amin'ny fomba rehetra (dopage) feno fitaka...io no tena tsy ekeko.
Ny Kanto.
PS azafady tamin'ny anarana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 26/08/2004 15:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131