You are here: home > Vetso

Fararanom-pahasambarana - Ny Kanto

Iny vodilanitra iny
Eny aho no mioty
Rehefa indrindra mena fify
Na rako-draho-mainty
Mitsipelan-tselatra
Ilay fararanom-pahasambarana
Milonjehitra fitiavana
...
Tsy Mahita hirika eny
Ny alo-palahelovana
Misandrantrandratra eny koa
Irony tsirom-pahatsiarovana.

Ny Kanto

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

Malalason (15/10/2005 12:07:28)

mbola tiako ho ré ny tohiny mampahatsiahy ahy ny any aminay misento aho dia manina, nitazana aho fa diso manga loatra ny vodilanitra tazako...
Malalason

Hametraka hevitra

Midira aloha