Felan-dririnina (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Novaiko "felandririnina" ny lohatenin'izy ity taty aroriana satria nihintsana ihany ilay ravina nony farany satria tsy nahatanty ireo teny mangidy nanamaina ilay saham-pitiavana ... ilay fitiavana eto voatery nangina satria mbola manantena fiovana...

N’inona n’inona holazaiko
Tsy hohenoinao akory
Izay difotra hatezerana
Ka teniko avy no voateliko

N’inona n’inona hoteneniko
Tsy horenesinao indrisy
Satria ny anao, ny teninao irery
Ny ahy aloha avelako hitampify

Inona ary no holazaiko
Rehefa ianao no tsy andaharana
Tsy misy toearana hitenenako
Azonao ny lapa, laka, lohalaharana
...
Dia hangina izany ve izaho
Mba hampisy lanja ny anao
Sa mba handrenesanao ny feo
Mangina avy ao ampoko...
Mitalaho

Ny fahaginako indro no mampita
Ireo teny iriko hotianao hita
Ireo masoko ihany koa hanampy
Ireo teny avy ato ampoko...
Miantsoantso
...
Tsy hiteny irery anefa ianao
Fa izaho hihaino tsy handao
Hiezaka hampitony ny hatezerana
Ny fitiavako eo hanarona,
Tsy ho lao

- Hangina aho, hihaino anao
Mba haharenesanao ny foko
Mitoloko

- Hangina aho, hijery anao
Haneho ilay fitia
Mifitsaka ao anatiko ao

- Hangina aho, hitia anao
Hibitsika ao ampoko miafina ao
Hoe tia anao

- Hangina aho, tsy hiteny intsony aloha
Aoka izay ny ahy anefa tsy mba tofoka ny fo
Fa mihaino anao

Ny Kanto. Felandrininina,
3 febroary 2004, 9ora20min maraina. 911 avenue Agropolis
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
968 1
Hevitra mandeha
raisap12 ( 10/06/2004 09:03)
tsy hitako izay holazaina fa toa mifono hevidalina ilay tonokalo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 08/06/2004 20:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011