Fitiavana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY

Tsiky iray mitsoka sy mangina,
manasafosafo no nasandratry ny fony.
Mibitsika ao am-poko faniriana
Handresy ny ahiahy tsy nampitony

Tsiky iray maneho fa lasana nisintaka
Ny fahatezerana rehetra izay naninta
Izaho tsaboiny dia manaiky ny hamoa
Fifaliana ho fitohizan’ny haravoany.

Tsiky iray aposany hampamirana ny tavako,
Tsiky iray milamina efa ela ihany izay tsy tazako.
Tsiky iray mamohafoha ilay navadiko ho tantara.
Tsiky iray manasa hiantso azy indray hoe Malala.

Tsiky aina mampitempo indray ny foko,
Tsiky volamena fahazavana sady jiroko,
Tsiky hery sahy mandroaka ireo toloko,
Tsiky falifaly mampifety ny tontoloko!

Ny Kanto. Oktobra 2004.
--------
Rohy:
1194 1
Mpakafy: NyKanto
Hevitra mandeha
bichette ( 12/10/2004 13:32)
mmmmmmmmm !!!!!!!!!!
tsiky iray monja avy taminaoanao tao chatelet les halles dia sava ny fahatezerako
tsiky iray monja teo ampihinanana grec dia manga ny lanitra,
tsiky iray monja feno fialantsiny dia levona ny fahatezerako
tsiky iray monja feno fitiavana dia faly ny fanahiko
bichette ( 12/10/2004 13:37)
oups ! misy diso be ilay tiako ambara etsy ambony


tsiky roa mifanena andevenana ny taloha
tsiky roa miray trano, hanatsarana ny ho avy
tsiky roa ny anareo, hiriko hitoetra mandrakizay.
bichette ( 13/10/2004 07:31)
tsiky dia ampy hoy ny sasany
Malalason ( 13/10/2004 15:52)
Ny tsikinao ry tiana
Manome hafaliana
Manome haravoana
Mamy tsy hay soloina
R. JO
ary inona no mampitsikitsiky be an'i B7 mba hizarao moa e! ny ahy anie tsiky iray dia efa hifaliako e! hi hi hi mahafinaritra e ! sa ahoana r'se ny Kanto?
R. JO
NyKanto ( 13/10/2004 17:53)
Tsiky iray monja dia mandrehatra
Ny aty fo, fanahy sy ny tena
Tena maim-pitia, kila forehitra
Menamenatra mivoara mena

Ny Kanto.

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 12/10/2004 12:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014