"fivoahana raha misy loza" (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ao anaty fahafatesana
Sy ny famoizam-po,
Tsy voarava sy tsy lo :
Ny ilo'ny finoana.

Ao anaty fahantrana
Sy ny tsy fananana,
No nitsiry dia nitrebona :
Ny Fanantenana.

Ao anaty fahalemena
Sy ny fanetren-tena,
No misandratra toa avana :
Ny afon'ny fitiavana.

Ny Finoana, Fitiavana
Ary ny Fanantenana :
Ireo no varavarana mivoha
Ao anatin'ny manjo.

Ny Kanto. Chateau Thierry. desambra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1309 0
Hevitra mandeha
bichette ( 21/12/2004 09:43)
bof ! tsy ilay tononkalo no bof fa ilay resahina, marina ve izany ? tena misy marina ve ? sa eritreritra fotsiny sa ahoana ?
NyKanto ( 21/12/2004 11:31)
Tena marina ireo fa tsy vokatry ny eritreritra ... tsy nampoiziko ho ianao no hametra ahy ny fanontaniana.
Ny Noely dia ohatra akaiky mampiseho sahady fa tao anaty fahantrana no nisokatra ho an'ny tany sy ny olombelona ny fanjakan'Andriamanitra.
Ny Kanto.
Malalason ( 21/12/2004 11:59)
tena tsara r'se a! omeko isa 5/5 mba hitoetra ela eto fa tena fampaherezana lehibe tokoa fa tsy vitan'ny fivoahana raha misy loza fotsiny , dia mirary Krismasy sambatra sy taom-baovao feno fifaliana ho antsika namana rehetra tsy ankanavaka .
Bichette midika inona moa ny Bof ?
Ny eritreritry ny Poeta dia zavatra mitombina ary tsy maintsy misy miaina saingy tsy fantatrao raha tsy tonga ny fotoanany
Malalason
NyKanto ( 21/12/2004 18:32)
Mankasitraka dia ny fahasoavana sy ny fanambinana ary ny fahasalamana anie hameno ny fiainan'ise, tsy amin'izao andro fety izao ihany fa amin'ny taona ho avy rehetra koa.
Mirary soa. Tsarà eh!
Ny Kanto.
vetsoko ( 24/12/2004 15:17)
Mino,manantena,tia...fahasambaranaeto an-tany raha tanteraka ireo e!
misaotra an'i nykanto fa tsara le izy ,mirary fety sambatra,hitondra finoana sy fanantenana ary ffitiavanaho antsika anie izao noely izao sy ny taona ho avy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 20/12/2004 19:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105