You are here: home > Vetso

Havatsa - Ny Kanto

Azo vakiana?

Havatsa

Tena misy ny fihaonana
Izay miraikitra ao anaty
Tahirim-po fananana
Havatsa enti-maty

Andro tokana voatahy
Fanomezan’Andriamanitra
Hoe fihaonana tsy nahy ?
No hanentohento manitra

Ny Kanto. Institut Pasteur, faha-2 martsa 2005

Hevitra mandeha

andriary (12/04/2005 18:56:34)

Mino aho fa efa mpikambana amin'ny HAVATSA ise izay hifamatotra amin'ity tonokalonosoratana ity!Ialako tsiny ny amin'ilay fiaraha-miasa fa sempotra aho tao ho ao fa alefako tsy ho ela amin'izay na amin'ity semaine ity aza e!
misaotra e!omeko dimy

NyKanto (13/04/2005 17:04:40)

Mankasitraka an'i Andriary. Dia miandry aho izany. Mirary soa.

Ny Kanto

coline (15/04/2005 00:11:00)

Anisan'ny mankafy ny asasoratry NyKanto ny tenako...Mankasitraka be dia be dia tohizo hatrany sady ho hanitry ny Tenimamintsika...Misaotra tamin'ny nanoratanao ny amin'ilay asasoratro "Vetsovetso amoron-dranomasina".

Coline

Hametraka hevitra

Midira aloha