Herisetra - Ny Kanto
Azo vakiana?
Indro hamidinao
Ny tany tena maminy
Indro ho simbainao
Ny rano, loharanony
Indro ho ravainao
Ny ala sy ny sahany
Indro harodanao
Ny trano sy fananany
Indro hakombonao
Ny maso sy ny vavany
Indro ho tapahinao
Ny togotra aman-tanany
Indro ho hitsahinao
Ny hany fahafahany
Fa nahoana ianao no mihetraketraka aoka izany?
Noho fahefana sy ny vola ihany …
Ireo, tsy azonao atelina akory
Fa nahoana ianao no mihamahery setra aminy?
Raha tokoa tena fantany
Fa ianao no hampahory ...
Ny Kanto Parisy
Sokajy :
fiainana
Hevitra mandeha
andriary (24/02/2005 13:22:42)
Mampihetsim-po izany tonokalo izany.Tena misy tokoa ny tsindry aloka e!
ho avy tsy ho ela lay fiaraha-miasa fa mbola ....miandry kely eee!
merci
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKantoDaty : 23/02/2005
Mpamangy : 883
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Tsy ManahyMAVESATRA
Mihelina
Maty ilay tantely
Kalo anaty haizina
Fiofona
11-septambra
Ny Fahatsarana
Mpitazana-tazanina
Iarivo Mitomany