Ilay fihaonana (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatrao ve fa toa kisendrasendra
Ilay famoronana nilaina sy hoekena
Namaka lalina tam-po, efa hatry ny ela
Dia ilay ora sy fotoana hahitako anao

Fihaonana hafahafa kely
Poezia toa tsy izy sa majika ?
Toa tsy inoako nefa nisy
Raha tsy izany tsy ninoako mihintsy

Misy ny fotoanan’ny anjara
Ilay ora iray … izaho sy ianao tsy nisy tara
- Tsy nifankahalala -
Nifanome fotoana fa hihaoana
Anatin’ny kisendrasendran’ny fotoana

Ny matroka amiko eo hody mazava
Ny varahinao hanjary voahangy volamena
Ny fiainantsika nangingina teo
Ho feno nofy feno anjely
Manomboka hatreo
Tsy hoandrintsika intsony
Ilay ora hifanenana hifankaeny
Hiaino ilay feo
Hianoka ny jery sy ny fanatrehana
Hanolotra fitia
Miboitra avy ao ampo !
--------
Rohy:
2732 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 26/05/2004 17:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104