Ilay nofim-pitia (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny seho hitako dia endrika iray
Mahafatifaty, tsy aritro loatra izy izay
Manaitra avy hatrany, tsy tsapany akory
Ilay foko midobodoboka, tia, fo torotoro

Ilay endrika hitako toa mihoatra lavitra
Ilay fanantenana noraiketiko ela tam-po
Tojo radom-pitia sa voasary manitra ?
Ravaky ny fo, Ny Aina fanomezan’ny lanitra

Ilay Malala hitako, niresaka tamiko
Anilako eo, nijoro, nisafosafo, nanambitamby
Ireo teny mamy nitory fitia nambarany ahy
Dia santa-pitia sahadin’ilay hiainanay

Ireo molotra hitako, izy namihina ahy
Sadaidaikatra, menatra, tsy sahisahy
Miara-paly sy mankafy, nanorok’ahy
Tanteraka ilay nofinofy, ho iray sy hiara-dia

Ny hany neniko dia ny fifohazako
Nanapaka teo ilay nofy mba tazako
Ka ity tononkalo ho fankasitrahana
sy ho fangatahana
Miverena matetika, hoy ilay antsom-pahasambarana
Dihim-pitiavana no hozaraina, tsy mba hifarana
raha miara-mijanona
Ny lanonan-tsy ho lava, ho vita sy ho tapitra foana
Raha toa tsy hitoetra ka ho faranana ho nofy foana

Nefa kosa hono tsy mba nofy ny fifaliana
Ka raha hanofy ihany aho dia hifaly aminao
Hanenjika anao isan’alina, isan’andro izao
Aleoko tokoa ho fenoim-pitiavana avy any aminao
Dia ho adala manam-po sy fitia tafahoatra
Toy izay adala tsy manana, tsy hahita anao.
--------
Rohy:
2062 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 31/05/2004 21:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153