You are here: home > Vetso

Manjatiana - Ny Kanto

Azo vakiana?

Mamiko anie ilay Manjatiana izay,
Notiaviko izy izay ; tiako mba ho ahy.
Ny endriny ?  tsy hoe tsara sy miavaka,
Ny toetrany ? voahangy sady ravaka.

Tiako raha ny fiainako ho namany,
Tiako ho izy no hameno ny tontoloko,
Nefa izaho handao, hamoy ny fihin-tànany,
Hitady ravin’ahitra, hiatrika ny fiainako.

Ny fanahiany amiko s’ireo teny nifandaozanay,
Dia tsaroako foana, manako aza indraindray.
Ilay vongan-dranomasony niraraka
No vato fantsika fitiavana, nilatsaka

Milatsa-paka, voahosotra ao am-poko.
Koa na tsy ho tafara-dia aza izahay,
Tsy ho voafafa, tsy ho adino, f’ho tsaroako
Any i Manjatiana, fantatro tsy ho ahy.

Ny Kanto. Novambra 2004.

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

andriary (10/11/2004 14:00:09)

Izao no hafany!

hitako izy omaly
dia izao no nambarany
...raha nanohy ny tantarany
ny fony anie mijaly
mijaly miandry anao
isan'andro lava izao

dia izao koa no hafany
...na dia mandondona sy sahy
ny setram-pakam-panahy
tsy mendrika itarafany
ny fitiavany efa lalina
tsy hain'iza angalarina!

dia nasainy nolazaina
na dia tsy hifanena intsony
tsy miova hoe ny fony
...n'inon'inona kasaina
manjatiana efa vita
na lavitra aza aty am-pita
andriary

bichette (10/11/2004 18:06:03)

tampina tanteraka aho mamaky ilay tononkalo

NyKanto (10/11/2004 19:29:39)

Misaotra an'i Andriary nanaiky hitondra ny hafany, mankahery ny mahazo akon-tsoratra ... ary inona marina ny maha "tampina" an'i bichette ?

Malalason (12/11/2004 14:01:14)

ranomaso latsaka teo
ampisarahana
no nandaozako ilay malalako
nanomboka maizina tamiko ny tontolo
tsisy andro miratra fa manjombondava
izaho lasana any lavitra f'ianao no aty.

Réf
zany no fiainana
tena mahafinaritra e!
voatery nofaranana
fa hisaraka e !

mbola ho avy aho ry tiana a!
any volana any taona
ho avy hamerina indray
ny fiarahantsika hatrizay ....
Tarika R. JO
(Notsongaina tao @ tonon-kira MALAIMISARAKA ity, izay mbola hivoaka @ ty volana Déc ity) tsy ho ela ...
R. JO

Hametraka hevitra

Midira aloha