Manody raha mangina (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manody raha mangina

Aiza moa ny feonareo ry firenena
Sy ‘nareo lazaina ho mpiaro mahonena
Nahoana no mangina tsy miteny
Manoloana ny habibiana izay jerena
Aiza ? Aiza ianareo no tsy miteny?

Fa ny mainty aty hosihosena
Atao haza lambo sy terena
Afato-tongotra aman-tanana
Mivenjy an-tany efitra fiafenana
Indrisy! Indrisy mahonena

Nahoana ny mahantra no vonoina
Raha mba mikatsaka mitolona
Fianam-baovao raha nohenoina
Anefa dia navaly vono olona
Nahoana ? nahoana izany no avela?

Odian-tsy hita ve ireny?
Odian-tsy re ihany koa ?
Mahantra maro no manjeny
Sy miandrandra fiainan-tsoa
Vonjeo fa ho ripaka avokoa

Sa avela ho an-tapitrisa maro
Ireo ho faty vao hitroatra
Vao hihetsika sy hiaro
Saingy efa tara loatra

Fa na mody moana aza ianareo
Dia ny vato no aoka hiteny
Hanambara sy hampamoaka
Ny tsindry hazolena tsisy fetra

Fa manody raha mangina,
Mankafy mihaino sy mijery
Ny fahantran’izay ampijaliana
Miantsoantso vonjy manirery.

Ny Kanto. Parisy. 12 Oktobra.
--------
Rohy:
1676 1
Hevitra mandeha
Malalason ( 15/10/2005 10:04)
efa niteny izahay fa tsy namaly ianareo vahoaka, efa nanao antso avo izahay, fa inianareo takonana, ka hiteny aza ny moana, ny fahantrana tsy ho foana fa efa tandra vadin-koditra mitoetra ao an-tsain'ny Malagasy (sasany fa tsy izy rehetra)indrisy samia mitondra am-bavaka.
Malalason ihany e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 12/10/2005 12:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129